You are here: home > Vetso

HANDEHA IANAO - fanasina7

… Tsy  hangina indray ny foko
f’hitomany an-taratasy
…handeha ianao ry tiana ;
K’aleo hanaram-po fa zoko
Ny midradradradra mafy
Satria hilaozanao hangina.

Hahantra indray ny vatako,
Safosafo, tsongotsongo
F’hilaozanao ho irery.
Hihombo indray ny ratrako,
Ny foko hiha-hivonto
Satria sarotim-pery.

Fa hanainga indray ianao,
Handao ‘ty tanà-nahazatra
‘Zay niarahana nidola.
Tomany sisa azo atao ;
Hipitrapitra toa mahantra,
S’irony konka efa sola.

Badenina ny sofina,
Farina ny feo,
Jambena izany maso.
Ka zovy no hanohina
‘Ty fo ‘zay mitoreo
Miantso hoe “andraso” !
Tsy misy, ary tsy hisy…
Fahendrena ny mionona
K’hiandry indray ny lahatra.

2001F7

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

lalaiina (24/01/2014 07:54:40)

Zay nga vo lasa izy :D

fanasina7 (27/01/2014 12:16:04)

lol, jereo tsara ry lalaiina f'ef t@ 2001 ne io no voasoratra e :) sady izy iza kou mé zegny e :p

Hametraka hevitra

Midira aloha