MPANJAKAN'NY ALINA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia tonga indray ny hariva, hanomboka ny alina,
Fotoana fanjakan’ny embona sy hanina.
Ka ny embona « Mpanjaka », ny hanina no « vadiny »
Ary ny fandriana kosa no fonja igadran’izay voababony.

Koa rehefa injay fa tonga handrakotra ny maso
Ilay loko mainty monjany,
Dia miomana ianao fa tsy avelany,
Na ny ho avy na ny lasa,
Fa avy tonga dia apongany.

Dia porofoiny an-tsary hoe
« Izao sy izao avy no làlana naleha
Sy irony zava-bita »
Asehony an-karihary na fisaina, na fitoky, na fireha
Niarahantsika nita…ilay tetezan’ny fitia…

Avy eo andramany aseho ny ho avy tsy ho lany,
Tsy ahenoana feo toreo fa fifaliana sesilany,
Fiainan-tsy hankaleo, fahasambarana mavàny
…Hatrany hatrany…

Dia tsinjo amin’izany fa toy ny vao omaly
Ny nisarahantsika.
Sady ampanantenainy fa rahampitso ihany
Dia hihaona indray isika
…Nefa nofy izany…

K’indraindray aho mba tezitra,
Te-hitsangana hanongana.
…Tampoka eo, very hevitra :
« Raha tsy eo zareo, ho fongana :
…Ny tsiaro anao rahavako… »

Koa naleoko nandefitra…sitrany ahay
Mba hitako isan’andro ny bikanao milay.
Aleoko aho mitony…mihafy…mankato,
Ndrao ho to tokoa ireo nofy tena soa
…Nampanantenainy…
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1225 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099