NANDRESY AHO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nandresy aho, dia tsy noho ny heriko ;
Fa tao Jesoa, nanasitrana ny feriko !
Notantanany ny tànako, nalaminy ny làlako,
Dia mirana ny tavako, fa novaliany ny vavako.

Ny ranomaso izay nijohy : fifaliana no nasolony !
Ny ankaso izay nandrohy : fandresena no natolony !
Tsy izaho loatra no niady, fa tao Jesoa Ilay Kapiteny :
Notapahiny ny tady…afaka aho, ny fandreseny no nomeny !

Ankehitriny, velona aho, satria ny fiadanany ato anaty.
Ny fifanekenay roalahy, efa vita fato-maty :
Izy no Andriamanitro, izaho no rahalahiny ;
Izy no hany mamiko, izaho no voninahiny !

Raha nadresy aho, dia tsy noho ny heriko ;
Fa tao Jesoa, Ilay Andriamanitro…izay no teniko !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014