SAO DIA POIZINA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sao dia poizina hamono,
Handrava sy hampikoro,
Ny fitiavana efa niorina
Aminao sy ‘lay olona
‘Ty fanirian’ny foko adala,
Te-hanohy ny tantara
‘Zay niainana fahiny,
Fony samy mpivahiny,
Fony samy nitahiry
‘Lay fitiavana nitsiry
« Tao am-po virjiny » !

Raha sanatria ka marina,
Handavo an-kady lalina
‘Ty faniriana mahafanina ;
Dia… aoka ho ianao ihany iky,
No hananatra …hanitsy,
Ny fomba sy ny toetra
Sy ‘zay ataoko rehetra rehetra.
Fa jenjina ny fo,
Mitapy ny ati-doha,
Ka mipenimpenina…
Mitsako itony nenina !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
863 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148