folaka an-dantony (FANIRY MAMY TANTELY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nitolefika mora
nanaraka ny onjan' ny
rivotr'ankaso
ilay raozy mpidola
sy reva-mpitondra
ilay foko efa babony
folaka an-dantony

natopany havia
natopany havanana
tsy refo-tso-py
fa gafy iray lalana
handavo ilay vony
tsy hiarina intsony

ilay tahony sisa
no io manariva
ny androny androany
teo an-dasim-piraisany
tamin-drotsa-tomany
fa nandao ilay tinaizany

mantsy ilay voninkazo
izay tena lalainy
iry efa nalazo
fa tapitra ny ainy

faniry mamy tantely
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
671 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FANIRY MAMY TANTELY
Nampiditra : mamytantelyfaniry
Daty : 26/07/2018 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097