Fararano (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fararano ny andro
Ka faly ny tontolo
Fararana ny andro
Ka he mirana daholo

Misioka irony vorona
Fa masaka ny vary
Mba faly koa ny olona
Fa tsy osa,tsy marary

Ny tantely sy ny angidina
No indreo misidin- tsidina
Ho eny am-bonin'ireo vokatra
Hankamamy,tsy hirongatra

Ny omby sy ny osy
No indreo manosihosy
Miraoka ireo ahitra
Mikaroka ary koa mamahatra

Mikorana ery ny olona
Mijinja irony vary
Fety tsy ritra fahamamy
Toy ny fary lava vany

Mijinja sy mitaona
Manadio ny famoloana
Mizarazara toy izany
Ny any ambanivohitra any

Izao tokoa no fararano
Tena mahavelombolo
Ka faly hatramin'ny lolo

*01310315A1B
--------
Rohy:
Sokajy : Tonon-taona - Fifaliana
1280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 04/07/2016 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149