KANTO MITARAINA (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andraso hiato kely
Ny sentonao ry sombiniaina
Fa ho atoroko môdely
Dia ilay kanto mitaraina

Fa ianao no hery
Sy vahatry ny ainy
Ka hatsarao ny fijery
Ndrao ho very sy tsy hainy

Ilay kanto manambatra
Soa mampiray
Izahay tsy manavaka
Fa vonona hiray

Ilay kanto Malagasy
Dia ny soratra sy teny
Ilay riba tsara vatsy
No miangona tsy an-tery

Mandrosoa ry sombiniaina
Fa aza ketraka na kivy
Ny fandresena no ao an-tsaina
Na ho mamy na ho ngidy

Tsy hampaninona ry aina
Fa ny ala mbola ho maintso
Na dia nihintsana efa maina
Hiandrandra ny ampitso

Ny soratra sy teny
Dia ny ribany malemy
Io ilay kanto mitaraina
Ka hevero sombiniaina
*01211016A0F
--------
Rohy:
Sokajy : soratra sy teny
1487 1
Mpakafy: ajnal
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 22/10/2016 15:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144