Ririnina (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao tonga ny maraina
Dia izao no ao an-tsaina
Andeha hiasa indray aloha
Fa zara aza tafafoha

Kanefa vao mivoaka
Dia injao mangirifiry
Ririnina ny andro
Ka toa re mamirifiry

'zay itsahana rehetra toa re mamanala
'zay jerena rehetra toa misy ny fanala
Eny an-tsaha rehetra toa maina sy makasoka
Ny hafanana @zany dia jereo fa voaaloka

Na izany aza anefa,
Dia tsy maintsy mba mikiry
Raha mbola te ho velona,
Dia tsy maintsy misavily

Atao ahoana moa
Fa fotoanan'ny ririnina
Ny tsy atao fotsiny
Dia ny tsy manao n'inon'inona

*01190814A3A
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
948 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 28/06/2016 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102