TENINDRENY (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tenindreny tsisy ray
Hafahafa toa fanahy
Feo iray mampahonena
Tsy maninona f'ekena

Tenindreny fiarovako
Tenindreny mba ho lovako
Tenindreny tsara joro
Mampitohy sy mampijoro

Tenindreny fisandratako
Hanavatsava izany lalako
Tenindreny mba ho elatra
K'andrandraiko mba hivelatra

Teny nianarako nibada
Teny,fiantsoako an'i Dada
Teny mampiray ny eny
Ho fiangolaiko @ i Neny

Teny fananarana ahy
Teny,mampahery ny fanahy
Fitoviako @ zoky sy zandry
Tiaviko k'andrandraiko ho andry

Teny mamy tsisy ngidy
Teny kanto nofinidy
Teny tolo-Janahary
Ka lazaiko an-karihary
*01110816A3E
--------
Rohy:
Sokajy : Tenindreny
1491 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 15/08/2016 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1139