Teny Malagasy (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny iray tsy misy miery
Ny malagasy tsy ho very
Teny hamelana hafatra
Gasy tsara,tonga lafatra

Teny gasy ts'isy pentina
Teny tsara nofinidy
Gasikara tanindrazana
Ny kabarinay tsy mba amidy

Tenin-dReny sarobidy
Ny fomba iray tsy mba hangidy
Ohabolana,hainteny
No mandravaka azy ireny

Aza avela hangatsiaka ilay maha malagasy antsika
Mba tandrovy ny kabary
Ka asehoy ankarihary

Malagasy isika
Malagasy Ray sy Reny
Aza avela hangatsiaka
Ireny rehetra ireny

"kabary malagasy,tiaviko fa kanto,aina ho an'ny tenin-dRazako"

*01100515A4B
--------
Rohy:
Sokajy : Teny
1141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 12/06/2016 17:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138