Tsodrano (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao izay mitsetra,
Manasoa ny madinika.
Tohizo fa tsara,
Mahaiza mandinika.

Ianao manome,
Manampy ireo namana
Tsy mila takalo,
Tsisy valin-tanana.

Miasa @ fo,
Ka mamafy ny soa.
Mivavaka ho anao aho
Mahereza hatrany.

A.tra anie hitantana anao.
Hahita vokatsoa @zay mba atao.
Tsy ho sasatra foana
Fa miandry fotoana.

Raha hivadika ny volana,
Ka hiodina ny taona;
Hivaly aminao ireo,
Ka ho finaritra avy eo

*01281214A6A
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - Vavaka
1248 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 01/07/2016 15:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109