Ianao (Fara Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no tiako hitoetra ao anatiko
Ianao Tompo ô no tiako hanapaka ny foko
Aza avela hisy re hibahan-toerana ao
Foiko manontolo ho Anao ny fo, anjakao

Tsy ny fiadananao ihany re no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy Ilay Zanaka Fanahy
Ianao manontolo Tompo ô, Ianao no tiako ho ahy

Fanirina sy hetaheta lalina ao am-po
Iray fijery, iray fitiavana izaho sy Ianao
Indro ny foko anio voaiko idiranao
Foiko manontolo ho Anao izy io, anjakao
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - tsara - fitiavana
1942 2
Hevitra mandeha
badoul ( 07/05/2012 16:49)
fa tsra tokoa ny Tompo e!omena azy mandrakariva ny dera, laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Andriamamonjy
Nampiditra : tsikiko
Daty : 06/02/2004 21:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096