Aoka ianao... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aok'ianao tsy hanaratsy;
Iny zava-bitany iny!
Na koa hiantsiantsy;
Amin'iny olon-tiany iny!

Aok'ianao tsy hankahala;
Ny tenany,na sombiny kely aza!
Maika ianao te ahalala;
Iny solon-tenany iny!

Aok'ianao tsy hanosihosy;
Ny maha-malagasy anao!
Fa io ange ilay nosy;
Izay tena honenanao!

Aok'ianao tsy hitantara;
Aminy:izao manjo izao!
Na koa hoe:hanambara;
Amiko,ny hirifiry hatramin'izao.

Aok'ianao tsy hanavakavaka;
Na volon-koditra na toetra!
Fa io no tena ravaka;
Hampifandray tsy manam-petra.

Aok'ianao mba tsy hiantsy;
Na amin'Ady na fifamaliana!
Fa ilay fitiavana mantsy...
Tsy safidy fa faniriana.

Maharavo.A 20.03.2017
--------
Rohy:
659 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104