Aoka izay (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny felam-boninkazo;
Mamerovero manitra!
F'ilay fitiavanay;
Fa toy ny vero manitra.

Ny fitia raha vao miandoha;
Toa fankafia tokoa!
Rehefa any aorian'indray;
Indrisy toa tsy izay;
Fa toa niova loko ilay soa.

Toa niova fisarahana;
Ilay dina nifanarahana!
Ilay hoe hiara-dia mandrakizay;
Fa ankehitriny toa tsy izay!
Fa hoe:"Aoka izay"
Ilay fitiavan-tsika roa!
Aleo re hifarana!
Aleo re ho tapahana!
Fa sao mandratra fo!

Maharavo.A
--------
Rohy:
708 1
Mpakafy: fanele
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153