Efa sambatra ve izy? (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsiky ery ny tavany;
Mandinik'ilay havany!

Toa mirana fijery;
Fa feno fitia fanalam-piery!

Ravo ery ny fo-ny;
Toa mba faly ny fanahiny!

Fa misinda hono itony;
Itony mba tsiahiny!

Eh!sambatra ve izy?
Eo anilan'ny olon-tiany!
Ho tretrika ve izy?
Fa tojo tena niriany.

Toa miramiran-tava;
Fa tsy toy ny isan'andro!

Toa mitsiky lalan-dava;
Mandravaka ny tontolo andro!

Ny lasoko mitsiky;
Mandinika mankao!
Dia toa hitako eto aky;
Ny fahasambaranao!

Maharavo.A
--------
Rohy:
797 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167