Ekeko! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana re ry ray;
No oy izao no anjarany!
Fahantrana,fahoriana sesilany;
No mba hany eto an-tany!

Fa nahoana tokoa moa?
Reny eny an-dalam-be!
Ireny mpangataka ireny;
Tsy mahita izay aleha!

Ianao angaha no nanome?
Fahoriana lalandava;
Ireo fanahiny tena ory;
Ka nahatonga ahy tsy nahita tory!

Ekeko re ry ray;
Izay tsara vitanao!
Kanefa ity re hiantrao!
Fa efa niaritra ny mafy;

Ny foko mantsopika;
Mandinika hatreo;
ka ny saiko no hivika;
Mibanjina,mandinika ireo!

Ho toy ny hazavana ve?
Ny anjarany izao!
Ireny mahantra ireny;
Toa mangina tsy miteny!

Toy ny haizina miserana ve?
Izato fiainana eto an-tany!
sa
Toa aloka aman-javona ve?
zany ao an-tsaina raha maminany!

Fatals
--------
Rohy:
725 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108