Fandaozanao ahy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANDAOZANAO AHY

Mahaontsa ahy loatra;
Izao fisarahan-tsika izao;
Ny alahelo toa mitraotra;
Tsy voatana anatiko ao.

Fa andeha mantsy ianao;
Ho any lavi-davitra any;
Hanadino sy handao;
Tsy hahatsiaro ilay ankany.

Mitambolona ao an-tsaiko;
Ireo niarahana hatrizay;
Angamba mety tsy ho haiko;
Ny hanao veloma,hanadino anao indray.

Maharavo.A 01.01.2017
--------
Rohy:
787 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015