Fo ory sy mijaly (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eh!tsy mba misy mpihantra akory!
Iry fony efa ory;
Tsy mba manana mpiaro!
Tsy mba manana mpitia!

Fa toa maro mpankahala;
Be koa ireo mpanaratsy!
Toa tsy nisy nisalasala
Nanorotoro,nanatsatso!
Iny fony efa resy;
Efa resin'ny ankaso!

Ankasoparan'ny tontolo?
Eny!ireo manodidina azy!
Toa mampitondra ny mangidy;
Izay tsy zakan'ny teo aloha;
Endreh!miaritra tsy fidiny;
Indrisy!lasa miandrandra loha;
Miandrandra eny ambony;
Mitazana irony kintana irony!

Fatals 14.12.2015
--------
Rohy:
1512 1
Mpakafy: Alok2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148