HAFA IHANY Vao maty iana (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY

Vao maty ianao ry Neny,
Dia tsapako mangidy,
Ny fiainako rehetra.

Ny vatako nipararetra,
Ny saiko tena niady!
Fa tsisy mba mpiteny.

Tsisy mba nanitsy,
Amin'ireny adalako ireny,
Tsisy koa mpibedy!
Raha toa mirediredy.
"Tsapako eto mihitsy,
Fa hafa ihany i Neny e!"

Reny tena tsotra,
Reny saro-piaro amin'ny zavatra tsy mety!
Nefa niaina vetivety,
Dia lasana nirohitra,
Nanalavitra ny tiany.

Oh! Hiraiko hatrany hatrany,
Mba hiako an-danitr'any!
Fa reny mamy ianao...
Reny tena mikatsaka ny hahasoa an-janakao.

Vao mibedibedy i dada,
Tao an-tokantrano tao!
Dia ianao no sahy miaro,
Nalàky saro-piaro;
Sahy nanao ny tsy fanao.

Akory ireny tsy fitiavan-tena,
Fa tena vokatry ny fo!
Tsy tianao ny zanakao honena,
Ka nampandeferinao ny ambom-po.

Vao maty ianao ry Neny,
Dia ontsa koa ny foko!
Toa lasa rofy ombieny ombieny,
Ny akory fivetsoako.

Lasa nofy hatrany hatrany,
Ireo rehetra izay kaloako!

Na hira,Na kalo,
Dia toy izany koa ny embona isan'ora!
Voarotsiko an'ako mora,
Hoe "i Neny olo-mandalo,
Anefa tsy atakalo"

Aiko ianao ry Neny,
Ka hohiraiko an-tononkalo!

I Neny tokan'ihany,
Ary tokako aman-tany!
Raha nody ho vovo-tany,
Dia ho hiraiko hatrany hatrany,
"Fa mamiko eny izany".

Ho vetsoiko an-kira foana,
Ho kaloiko an-kalo koa!
Na aza efa tsy manoloana.


Angolaiko foana hatrany,
Hoe "i neny hafa ihany!!"

RARY NOFY 25 Mai 2014
Sabotsy namehana
--------
Rohy:
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226