Ilay...! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY...!

Ilay tsiky kelinao;
No sendra mba tsaroako!
Rehefa mifandao;
Ny saiko sy ny foko!

Ilay hantahantanao;
No mibahana ato an-tsaiko!
Rehefa mandinika aho;
Dia ilay sarinao,endrikao no toa lalaiko!

Ny rediredinao;
No tonga alaheloko!
Rehefa mifandao;
Ny tenantsika sy ianao!

Rehefa lasa ianao;
Toa miverina ato an-tsaiko!
Ilay ventsoventsonao,kalokalonao;
Toa tsy afaka ao am-poko!

Maharavo.A
--------
Rohy:
531 1
Mpakafy: rrandriasamuel
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143