INY LALAN'INY Herezo let (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY LALAN'INY

Herezo letsy zandry,
f'efa herinandro sisa a!
Herezo f'aza miandry,
Ny fampandriana andrisa.

Atanjaho ny saina,
ny fo ampionony!
f'aza mora tohina,
amin'itony tsiaro itony.

Herezo letsy zandry,
ny tanjona kendrena a!
Aza mora mandry,
Amin'ireo fifanekena,
amin'ny resaka henahena.

Tozohy tsimora ny dia,
mahareta vetivety!
matoa nisy izao dia satria...
Izay ny fiainana ety.

Tohizo foana ny lalana,
na aza misy ny sampanana!
Fa safidy ho'aho ny fiainana,
ka tsy maintsy ianao ho tafontohana.

Tozoy ny dia ombana,
F'izany izao no tsara!
Raha mifangaro ny sampanana,
Dia mandehana miantsinana,
Fa iny no mitondra,
iny no diamondra,
" Ho any Tsarafara"

Raha no diavinao,
dia ho avotra ianao!
fa raha ny hafa ankatr'izay,
Angamba hady mahamay.

RARY NOFY 11 Septambra 2018
Ampasapito ~ Antananarivo
--------
Rohy:
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113