Izany rivo-doza izany (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny orana mitraho!
Ny kotroka midona!
Mankarenina,mankalaho;

Toa mikiaka,toa mitrona;
Ny ao an-tafon-trano ao!

Tsy mitsahatra miredona;
Ny oran-pahavaratra!
Ny avandra mipoapoaka;
Ny fanintso mipaipaika;

Efa hoavy angamba ho'aho;
Izao rivo-doza izao.


Mampilaza ny radio!
Manamafy ny fahita lavitra!
Manambara tsotra izao;
Hoe:aza mivoaka ny trano ianao!

Fa ho avy tsy ho ela;
Izany rivo-doza izany.

Ka atsaharo sy fadio;
No mivoaka ny faritra
Manangona rano madio;
Mba ho sotroina maharitra.

Tsinjonao ny eny an'Arabe!
Toa feno fotaka,dobo-drano.
Fa nahoana kosa re!
Ireo fiara no tsy mandeha?
Fa mitokona tsy miasa!
Angamba...!
Toa dobo-drano,dobo-potaka!
Irony afovoan'Arabe;
Ka mitarika ny rotaka;
Eo amin'ireo samy mpandeha.

Maharavo.A
--------
Rohy:
509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144