Mandehana sombinaiko (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEHANA SOMBINAIKO!
Tsinjoko avy hatrany fa tsindrian-daona loatra ianao,
Efa dodona mihitsy,hanao izao sy izao!
Maika hitady izay mahasambatra,eny rehetra eny,
ka tsy henoinao intsony izahay,rehefa mba miteny.
Ndehana mikopa-kelatra raha izany no tianao,
f'izaho tsy manan-jo hitazona,raha toa ianao handao.

Mamela anao malalaka ny foko manontolo,
Efa lehibe ianao izao ka manan-jo hisidina!
Tsy hibedy anao akory aho,raha toa ianao handeha.
Efa fantatro hatry ny ela ny tena tanjonao....
Fa hikatsa-pahasambarana,amin'izao tontolo izao.

Mandehana raha handeha,hikatsaka izay tiana,
fa aleo i Dada hijanona eto,hiari-pijaliana.
hizaka ny tsy tiana,hiafy ny tsy zaka!
Ndehana raha handeha,hikaroka ny soa,
fa aza dia variana loatra amin'ny resa-tombontsoa,
"diniho aloha ny ho avy".

Raha handeha any ianao,dia ity no tadidio:
"Tsy nandroaka anao akory ny teto,fa ianao no nisafidy";
Ndehana sombinaiko,raha te hanefa adidy!
Raha toa ianao indray andro any,hiverin'eto indray;
Tsarovy fa izaho eto foana,ary mandray anao hatrany.

Fa izao anio izao,ny maso aloha tomany,
Mirotsaka,mipatraka mamonto izato tava!
Arahin'Alahelo,rakofam-betsovetso ka miondrika amin'ny tany.
Lasalasa saina,arahin'embon-dava;
dia mandefa ny eritreritra,hiantefa any aminao any.

Ianao tsy hitako,tsy tsinjoko eto intsony;
Vetsovetso sisa no entiko amboloina,hiatsampy indray mankany,
Mba hampitamberina ny lasa,nianantsika teto.

Any andro toy ny anio,mbola hihaona ihany isika,
Tsy hifanadino,tsy hifandao na dia segondra monja
Ianao hitoetra anilako,hiara-hibanjina ny onja
Hiara-hifaly,hiara-hiravo,ary hiara-hitatasiaka
dia amin'izay fotoana izay,ho velom-bolo indray ny ankohonantsika.

Amin'ny andro hiverena aty an-tokantranontsika,
Izaho akory tsy hankahala,na hoe mody tsy hahalala,
Raisiko eto foana satria "zanako malala"
Zanako tsy foiko,na aza nofôan'ny hitsikitsika.
Rary Nofy 18.03.2018 11ora16 min à Manjakandriana
--------
Rohy:
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109