NY FISIAKO Ny amiko hono (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FISIAKO
Ny amiko hono ve?
Ny mampahory anao!
Olana va re?
Izao fisiako izao.

Ny fisiako ve?
Dia olana ho anao!
Sa manaratsy tena
Amin'ny olona izay honena.

Aleo aho andeha
Aza arahin'alahelo

Aleo aho andeha
Andeha hirehareha
Fa aza sakanana ny lalako
Aza kianina ny teniko
Aza tohanana ny toro-hevitro.

Nolazaina fa tsy ho tafita
Nambara koa fa farahidiny
Nangataka ny mba hiam-pita
Iry tetezana izay finidiny.

Aleo aho handeha
Andeha hanadino anao
Andeha hiampita
Na dia tsy ho tafita
Maharavo.A 01.11.2016
--------
Rohy:
826 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015