Ny hantahantako (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HANTAHANTAKO
Ry raho-mainty be mitatao;
Maratra ity foko mitraka aminao.
Fa ny fiainana hono raha tsy misy anao;
Diavolan-tsy hita,ho trotraka anie.

Ry tafio-drivotra mahery fitsoka;
Angatahiko ianao;hifofo mankao.
Ao amin'ilay toera-mangiana.
Nalehan'ilay sakaiza tiana.

Ry kotroka mafy mahery fitrona;
Izay henon'ity foko sehesehena.
Mikiaka mafy toa mbÿ mitrena;
Mitalaho amin'ny tany izay tena nandao.

Eh!ry rano misoka avy any an-tamponk'havoana;
Mikoriana moramora,tsy manan-tsahala.
Fa sendra ny toany,ny sakaizan'ny ala;
Mijery azy ny saiko,toa lasa nisaina.

Ry tara-masoandro,malefaka fian-tefa;
Tsy mahita izay tena hitopazana;
Mby maika ho aiza;maika hilefa;
Hanakatr'ilay hariva fitazatazana.
Maharavo A
--------
Rohy:
661 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143