Ny mba hantahantako (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry raho-mainty be mitatao;
Maratra ity foko mitraka aminao!
Fa ny fainana hono raha tsy misy anao;
Diavolan-tsy hita;ho trotraka anie!

Ry tafio-drivotra,mahery fitsoka;
Angatahiko ianao,hitsoka mankao!
Ao amin'ilay toera-mangina;
Nalehan'ilay sakaiza tiana!

Ry kotroka mafy mahery fitrona;
Izay henon'ny foko sehesehena!
Mikiaka mafy toa mby mitrena;
Mitalaho amin'ny tany izay sendra nandao!

Eh!ry rano misoka avy any an-tampok'havoana;
Mikoriana miadana,tsy manan-tsahala!
Fa sendra ny tiany,ny sakaizan'ny ala;
Mandinika azy ny maso,toa sendra nisaina!

Indrisy mantsy ry tana-masoandro;
Toa takon'iry aloka mainty be mitatao!
Ka mangina tsy niteny izato rahona;
Mijery ny tny toa manganohano!

Fatals 06.02.2013
--------
Rohy:
889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155