Sompatra (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sompatra

Ilay raozy vao nitsiry dia...
Niha-main-dravona sahady.
Ny raviny miha-malazo!
Ny fakany mafy toy ny tady.
Mihitsana ny voniny satria...
Ny rivo-pifofo,mijojo isa-minitra'
Manimba izato hakanton'
Ilay raozy tsara bika.

Ilay fitia vao nitsiry dia...
Efa fongotra sahady.
Satria...Fitia diso fiantefa ka'
Feno sendra,mianjady.
Ny fony tena tia'
Toa tongavan'hakiviana'
Na dia mifantia'
Aza mety ho feno fahoriana!

Ilay nofy vao nandalo dia...
Efa sedran' ny raho-mainty'
Voatakona tsy fidiny satria...
Efa voafaintifainty'
Maika ianao mba te hahalala'
Hankafia tsy hiambahamba'
Kanefa indrisy...ry malala'
Fa tsy voatana,fa nirifatra.
Ilay nofiko ny alina.

Izaho vao nitia dia...
Nolaviny sahady.
Niesoany tsotra izao satria...
Tena olona mafy ady'
Eh!tsy mba manana harena'
Tsy mba manamanam-bola koa!
Dia aleony noesoina'
Hoe'ny tena fitia tsy azo terena.
--------
Rohy:
925 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145