Tao anaty nofy tao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay toerana nahalalako azy?!
Hoe:tao anaty nofy tao.
Ka niresaka,nifanao vazivazy;
Izahay hoe:Fa maninona aty isika? dia iza moa ianao?

Toa gaga aho,talanjona;
Raha iny izy nanontany!
Tao anaty feo mianjona;
Hoe:fa aiza isika izany? dia inona no atao aty?

Ato anaty nofy hoy aho;
No misy antsika izao!
Fa angaha tsy fantatrao?
Fa angaha tsy tsinjonao? izao toerana izao!

Toa mangiana izany aty!
Toa mangorohoro ny aiko;
Ireo alahelo toa tsy tanty;
Izay mibosesika ato an-tsaiko.

Nifampitaona indray isika;
Nianoka ny tontolo,ny toeram-paminany;
Ka lasa nitsoriaka;
Nanadino izany tany.

Tiako ho'aho ny aty;
Mahatamana,mahafinaritr'ery!
Fa eo foana ianao mampitsiky;
Ity tavako efa mihiky.

Aleoko re mandalo any;
Rehefa iny alina tontolo;
Fa any lavi-davitra any!
Any anaty nofy mihelatra;
No ahitako anao mivelatra;
Ka ny vetson-tsika mifanolo.

Maharavo.A
--------
Rohy:
897 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149