Tononkalo vao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba fantatrao!
Ilay hery anatiko ao!
Tsy mitsahatra manoratra;
Miventso ho anao!

Tononkalo vaovao;
No hosoratako eto;
Mba hanamarika indray;
Ho solon-tana-mifandray!

Noraketiko ho kanto;
Tao anaty feo milanto!
Tamin'ilay aingam-panahy;
Ka novakiana tsy nahy!

Ny tolokon'ny fanahy;
Tao anatiny ihany koa!
Enga anie ianao tsy anahy;
Raha hamaky ity tononkaloko!

Vetivety dia tojo;
Any an-tsainao
Ny hafatra kaloiny!
ity tononkaloko mafonja
fa
Tsy nataoko somonga!!!
Fa malaky toy ny onja;

Onja mandalo ny rano;
Marevaka tonga mijohy;
Onja miredona fitrena!
Aingana dia tafita mankao;
Tafita any an-tsainao;
Ity tononkalo vao!!!

Maharavo andriamalinarivo 07.11.2012
--------
Rohy:
1524 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101