Tso-drano (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSO-DRANO
Voaraiko androany
Ilay valin-teninao.
Hoe aleonao ny any
Fa izy no tena anjaranao.

Fantatro ange izy iny!
Fa nankafy anao
Fa aza mba omen-tsiny
Ity foko mitalao.

Efa tsinjoko tokoa
Fa tsy natao ho ahy ianao
Ka aleoko re mirarisoa
Ho azy sy ianao.

Tena fantatro malala
Ilay fitiavanao
Fa nodiako tsy nahalala
Ilay hoe:tsy natao ho ahy ianao

Natao ireny rehetra ireny
Mba hampifantarako,ny momba anao
Fa fantatro fa tsy fantany mantsy
Ka sao dia hankalao.

Sao tsy tsikariny mantsy
Ilay fitiavanao vaovao
Ka handeha hiantsihantsy.
Izy hoe:tiako ianao,tiako ianao.
Maharavo.A
--------
Rohy:
1268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147