Tsy nampoiziko (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAMPOIZIKO
Toa maloka ny masoko
Manganohano aok'izany
Mandinika ilay lasany
Sy izay mba fahasambarako.

Tsy nampoiziko anefa...
Indray andro izay
Nahita ilay masonao niantefa
Nijery ilay olon'iray.

Toa gaga aho talanjona
Nandinika,nibanjina
Ka lasa mianjohanjona
Mijery anao mitakandrikandrina.

Tsy nampoiziko satria...
Vao eo ianao no nilaza tia
Izao ianao manao ny atao
Izay manao ny tsy fanao.
Maharavo.A
Hafatra ho an'ilay olon-tiako,tazako nitakandrakandrana nitodika nijery ilay tovolahy iray tery an-tsisindalana.
--------
Rohy:
753 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015