Tsiky (fefe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky

Fihetsika iray tsy sarotra atao
Fihetsika mamy tsy mba lalao
Fa hetsika avy amin'ny fo tokoa
Dia ny tsi ky fataon'olon-droa

Fihetsika tokana tsy misy vidiny
Fihetsika manan-danja tsy omen-tsisiny
Tokony atao mba ho fifaliana
Dia ny tsiky ho an'ilay tiana

Fihetsika manadio sy manazava
Fihetsika mamiratra an'ilay tava
Jerena toa mahatony ny fo
Dia ny tsiky marina izay mpanasoa.

fefe
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
1961 1
Hevitra mandeha
rowensa ( 11/11/2004 09:28)
Mahafinaritra satria maneho ny lanjan'ny tsiky eo amin'ny fifandraisan'ny samy olona ,ny tsiky izany dia taratry ny ao am-po feno fitiavana.Ny tsininy kely fotsiny? tsy ao tsara ny gadona
Miarantsoa ( 16/11/2004 12:45)
Mitsikitsiky lava an !
Mba oviana kay i Fefe no nanomboka nanoratra ?
Tandremo ihany ny fitsipi- pitenenana ; ohatra: fanaon'olona fa tsy fataon'olona .Merci Fefe @ fankafizana soratra.(Miarantsoa Anicet)
dadatoa ( 18/11/2004 13:26)
tsara lesy fa mba ampidiro ato koa ilay poeme sasany
vetsoko ( 07/12/2004 17:42)
tsara satria sangan'asa
eny an-dalana manitsy e!
pouti ( 20/12/2004 14:52)
tia tsiky be ve zany fefe io?
marina aloha zany fa tena tsara ny tsikye!sady tsy vidim-bola io ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fefe
Nampiditra : Traf
Daty : 08/11/2004 07:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011