INDRISY... - felandefona
Indrisy re ry tiako
Fa toa tena tsy tantiko
Ny alahelo ato am-poko
Ka mampirotsaka tomaniko
Mandifotra ny aiko
Manakorontana ny saiko
Mahalasa ny vinaniko
Eny manimba izay rehetra ataoko
Mavesatra dia mavesatra tokoa
Hila hamaky loha
Mitambesatra aok’izany
Toa fara-fahoriana eto an-tany
Inona anefa no azoko atao
Handao sa hitalaho ?
Azafady mba lazao
N.A.F
« L’amour c’est n’avoir jamais à dire qu’on est désolé… »
Tononkalo hafa
NIOVA LOKOTSISY NATAKALOKO ANAO
TSISY TSINY
JE HAIS
INDRISY...(tohiny)
MEME SI...
JE NE SAIS PAS POURQUOI
MON PAUVRE COEUR
TSIKITSIKIN'ALAHELO
TSY NAMPOIZIKO