TSIKITSIKIN'ALAHELO - felandefona
Ity foko feno faniriana fahiny
Indrisy anefa toa mijaly ankehitriny
Nanankim-po fa hoe tena tiany
Kinanjo kay nosangisangiany
Noheveriko ho tena fitiavana
No hany mba natolony
Hay kay fanadalana
Fanalana andro fotsiny
Mitsiky ihany anefa ity izaho
Izay sisa no mba azoko atao
Izany no mari-pifaliana
Hanafenako izato fahoriana
N.A.F
« L’apparence n’est pas la realité… »
Tononkalo hafa
NIOVA LOKOTSISY NATAKALOKO ANAO
TSISY TSINY
JE HAIS
INDRISY...(tohiny)
INDRISY...
MEME SI...
JE NE SAIS PAS POURQUOI
MON PAUVRE COEUR
TSY NAMPOIZIKO
Hevitra mandeha
mino (07/07/2009 09:10:58)
Mahalaza zavatra betsaka, mateti-pitranga...
n'inona n'inona mitranga, miezaka mitsiky hatrany