IANAO!!!! (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO!!!!

Ianao le tovovavy, hitako kisendrasendra
Tao anaty "SITE" iray, ho an'ireo zay toka-tena
Ny sarinao, ny endrikao, no nikitika ny foko!
Ianao rery no nanaitra, nanaitra 'lay ambom-poko

Ianao irery no nofidiko, t@reo alin-kisa
Na Gasy, na vazà, sy ireo tsy voatanisa
Nofinidiko satria, tovovavy tsotra fiaina
Tsy iza izany fa Ianao, Ianao re ry Aina

Nataoko izay fomba, mba hiresahantsika
Na skype, na mail, na message sy ny sisa
Faly ery ny foko, fa to ny nofinofiko
Dia ny iresako aminao, hitantarako ny ato am-poko

Nandeha ny andro, lasa ihany koa ny volana
Toa nilamina ery, tsy mba nisy nifanolana
Maivana ny adin-tsaiko, miran-dava koa androko
Ny miresaka aminao, toa telinko sy mamiko

Ianao 'lay nantenaiko, hampiarina ny fiainako
Fiainana mahonena, tsy mba nisy nitarainako
Faly aho nahita anao, tao anatin'ny olo-maro
Voafidiko manokana, ka tsy mba tiako hifangaro

Fa ankehitriny kosa, toa maloka maraina
Voatakon-drahona, ilay masoandro nantenaina
Nantenaiko hanazava, hitari-dalana ny diako
Kinanjo maizina sahady, toa ali-maizim-pito

Ianao ilay voninkazo, izay saika hokoloiko
Ianao ilay voary, namirapiratra tsy foiko
Eny, ianao 'lay vehivavy namboarina ho ahy
Kanjo nalazo sahady, voatapaka tsy nahy

Didin'olombelona, sa hetraketrak'i Satana
Zao fahoriako izao, toa te hirifatra tsy tana
Te hamoy fo, hanadino ireo mangidy
Nefa ny Aina, tsy atakalo na amidy

Ray ô! mahantra lôtra ity mpanomponao
Mba hitady mahasoa, nefa tsy hita izay hatao
Ampio aho, hanasitrana ny feriko
Sy hanadino ny taloha, sy ireo fomba fijeriko

Diso fiantefa ve ny foko,
Sa niantefa @hazo tsy fantatra
Mbola baraingo zany aloha,
Fa aleo ny saina no hamantatra

Diso ve zà raha nanolotra ny foko
Ho an'ilay rôse iray, manitra tsy foiko
Tsy foiko nefa indrisy, lasan'olon-kafa
Ny ranomasoko aza, mijoy tsy voafafa

Tiko iano ry Aina, iaina ato anaty
Hamelona ahy, fa tsy hanao valifaty

FEN'S (07/10/2016)
--------
Rohy:
2157 2
Mpakafy: scayeonejah - LyrainaJha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 07/10/2016 04:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159