SATRY FOANA (Fenosoa eli)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satry foana ho tadid
'lay fiakaran-tsarobidy
Nahenoako angolam-peo
Malefadefa-pitoreo
Satry foana ahatsiahy
'lay ianao namihina ahy
Hiara-hiakatra ny bongo
Tsy andry ery ny ho tonga..!
Satry foana, satry foana
Tsy ho tapitra taona,
Hifampitafa eny isika
Samy mba ho tafita ...
Satry foana ho eny ihany
Hifampitantanana hatrany
Handalo ny ora sy minitr
Ny tsiaro anao tsy ho ritra...!
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1201 2
Mpakafy: FENOSOA2 - taxs
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fenosoa eli
Nampiditra : FENOSOA2
Daty : 12/09/2015 09:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136