ADINOY (Fetra Rafitsahàrana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Donam-po?
Sa donan-tsaina?
Fa he! Ianao ity mangingina
Toa vizambizana ny aina
Sa mandalo tsy fisiana

Reram-po?
Sa rerak'aina?
No toa io ianao milofika
Kamokamo sy malaina
Ary koa tofotofoka

Resin-tiana?
Sa mijaly?
No mitady hamoy fo
Raha te hitsiky toy ilay omaly
Dia izao andramo aloha..
Mihainoa mozika tsara
Hampifaly ny any anaty
Io hira io no hanambara
Hamelona izay matimaty

Na manaova fialam-boly
Izay tsotsotra mahafinaritra
Ho hitanao ireo manangoly
Fa hisinda tsy aharitra

Fetra Rafitsahàrana
19mai 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1023 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 25/05/2017 16:18
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104