AFINA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malalako a!
Antopy maso foana ve e!
No atokan'ny segondra , mba hisambaran-tsika eny
Na aminitra mifanila, na an'andro toa mandeha
Dia lavitr'ova ombeny ombeny.
...Nankaiza ilay fihetsika nanindrom-po omaly
Tanalin'hazavana nanarisary oroka
Ilay molotro natolotro, dia iny ianao namaly
Nahaingonao antsarika, niondan teo antsoroka

Malalako a!
Tiako hisy ireny ho vainga tsapain-tanana
Hifandrombinan tsika ny kalom-pahasambarana
Tiako raha tefena ho tonga fiadanana
Ho fandravon-tsika tsy an'nofim-piarahana

Malalako a!
Tia anao anie aho e!
Na iny jeriko iny aza toa tsy zakako akisaka
Rehefa mitselika eny ilay banjin-tsika Roa
Lay taova iray an-tratra voalefona sy disaka
Mifaly mitanila miantsento Ambiroa

Ianao koa iny anefa...
Rehefa mba voasainako tankajy voahefa
dia rimboko am-pihetsika, hoe mba naniry ahy koa
Ny kalonao mangina Reko miantefa
Manoratsora tsihita te handoaka ny ao am-po

Malalako a!
Raha soniavina amin'izay ireo andala voaserana
Dia inona moa izany no mamefy an-tsika tsy hiaraka?
ireo sombin-java misy aza efa mampaka toerana
Aleo tsy anjery intsony e!!! , no alahatra manaraka
..f'angamba fantatrao!

Fetra Rafitsahàrana
15-01-2017 19:03
--------
Rohy:
Sokajy : Faniriana
816 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 27/11/2017 17:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147