FITIA VATOLAMPY (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!
Misaotra anao iny aho
Nohon'ny fara hezaka, nataonao tamin-tsika
Na ady mahamay, iny ianao tsy lao
Fa nampijoro hatrany ,ilay fitia manjopiaka

*niady ianao..
Niady tsy nisala
Nanangana faneva nijoro teo aloha
Niady..niady tsy mba niala
Niharitra an toerana tsy nety kivy Fo
,,nihary teny ho eny, tsy nahafinao amaso
Fa misy tia tsy levona anaty fonao any
Ka na dia betsaka aza ireo olomiankaso
Dia ilay voadin-tsika voatananao hatrany!
,,misaotra anao malala a!
Fa ireny no porofon'ny vaikan'ny fitia
Tsy lefy na mihetry amponao ao mijoala
Mandindona ny antsika ,hizotra ho doria
,,miasaotra anao aho!
Misaotra ry olon-tiako!...
Mendrika anao loatra ny ho tolorana amboara
Dia ny foko tia mitombo zato heny
Tsy ho tsinjaraina na aolan-jarazara
Fa ho anao ihany, hatreto ka hatreny
:-) :-)
Ianao koa matokia e!
Fa indro aho koa hijoro
handatsapaka fototra ilay fitiavan-tsika
hanandratra faneva tsy ho resin'horohoro
Ho vatana hanjakan'ilay fitia mitovy Dika".

,,Fetra Rafitsahàrana
--------
Rohy:
Sokajy : Toky
1060 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 28/11/2017 17:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014