HORA-SAONA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Dia lasa mantsy ianao
Tsy niera ny handao
Fa tampoka tsy nahy nanofaofa tanana
Nandeha nandao anay, nialoha izato lalana

..Dia lasa mantsy ianao
Tsy niera ny handao
Fa nanakimpy maso, tsy ho tafafoha intsony
hiova ho havelo, handeha anakatra ny ambony

Tandindonao no sisa, any tazana eto!
Sy havana malala, anaty sentosento
An'horan-dranomaso, milofika mangaina
Miandrandra ao an'Aloka, mandalo donan-tsaina

Mamihim-boninkazo sy miondrika anoloana
Anaty fahanginana sy saonana fotoana
Mandrimbona fitia, mivatsy fanajana
Mitondra anao am-bavaka, ho tsara fiafarana

....eee, lasa ianao
Ny sarinao mitsiky, andoha ferapara
Toy ny mbola velona sy mbola miaina
Tsara
Nefa ianao daraboka, efa miandry fandevenana
Ampasana misokatra no zotra ho fonenana

Dongon-tany iray,mibaby tanam-bokovoko
Voadidim-batovato mitsitokotoko
,ao ianao no hisitrika, hiery tsy ho tazana
Fatoran-damba mena ho sakaizan'ireo Razana

Farafaran-jaly no solon'ny fandriana
Izay vato mikodana, voavoatra hatoriana
Hiraraka ao am-pasana, hirodana tsy ho ela
Ny Nofo izay nitambatra, voarafitry ny sela

Ny bozaka matevina, ambony dongon-tany
No solon-tafonao,izay monina ao ambany
Ho fantsika hitazona, ny hazo izay hitsiry
Ny toham-baravaranao dia ireo vato mankadiry

....eee fa lasa mantsy ianao
Tsy niera ny handao
Ny alokao an'eritra nitsirika nandalo
An-tsaina voabanjina ireo sary Mialohalo

Hitsahatra ho doria, amin'ny valin- kasasarana
Hizotra ho any an'efitry ny toeram-PITSAHÀRANA
Ho kopakopa tanana...
Veloma ho doria !
Veloma ho doria !

Fetra Rafitsahàrana
08-09 out 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
836 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 06/05/2017 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014