NOFARANÀNÀ (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eee...
Navadikao ny rasa,
Fa efa leo ianao
Tsy ho tsaroinao ny lasa
Sy ireo zavatra natao
F'ianao handeha hisintaka
Hiala alavitra azy
Fa leo ny fitapitaka
Tsy teny ambazivazy,,
,Sy feo mandratra anaty
Tsy hainao hadinoina
Mitoetra mandramaty
Toa mbetika tsaroina,

...Ho afeniko hoy ianao
Ny ratra izay napetrany
Nefa tsy fantatrao
Hoe hatraiza re ny ho FETRA ny?
Fa ny nohezahinao antsaina
Dia hibanjina ny ho avy
Hanala ny taraina
Nohon ny tenanao manavy

dia...
ho avadikao ny rasa
Fa efa leo ianao
Tsy ho tsaronao ny lasa
Sy ireo zavatra natao.


Rafitsaharàna
avril 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
865 1
Mpakafy: fetra.emo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 21/04/2017 20:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014