NY ALONY (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Misy aloka ao"
Tsy mety vohakosiky ny jiron'azavana
Fa manaraka hatrany amin ny toerana hombana
Manjohy eritreritra, mifikitra ao an'ora
Mangady am-pilaminana, mikiky moramora

"Misy aloka ao"
Mandefondefon-tsaina misisika tsy an tery
Mamihina vinany tsy manaiky very
Manangotango voa antsahan'ny fitia
Nefa tsy ho tazana raha toa arahan dia

Mandady ampotoana, mitondra herin tsarika
Manisy rango-tsoratra, no sady manamarika

"Misy aloka ao"
Mandrangitra ny fo, misarandotra antsaina
Mitambesatra tsy laitra, tsy hay hazavaina
Navohitr'ilay maso, an-jery anelanelana
Tsy mbola voatondraka, nefa toa namelana

Fa inona ary izany??
Io no sarinao, voadika tao antsaina
Miraikitra ao anaty, tsy hay ho fafaina
Fony ianao ilay tazana nivahiny teto
Tantselatra segondra, niserana nanento

Zovy nefa ny heviny, no mikiry anjambanjamba?
Asa loatra re ! "Sa tianao angamba"

Fetra Rafitsahàrana
27 out 2014
--------
Rohy:
Sokajy : eritreritra
925 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 25/05/2017 16:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108