TAMBERINA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsa ve sa ahoana!?
No atamberin'ny fotoana
Irony fiainana nodiavina
Izay efa Difin'ny minitra
Nefa nampitsiriritra!
,,tsy nampoiziko ho tselatra
Ny nahita anao indray
Indray atoandro tamin'izay
Tamin'iny lalana iny
Izay nalehako fahiny
.. nibanjina ahy ny masonao
Dia injany toa reko
Nisy kotroka nidaona
Nampatsiaro irony taona
Sy izay tantara lasan-tsika
.. niondrika ny tenako
Tsy nahasahy nijery anao akory
Ndrao handatsa ahy ny lasa
Hahatonga ahy ho Ory
...hoe hanaikitra ny nenina
Noho ilay Fitia izay nafenina
Niainako hatramin'izao..

,,Fetra Rafitsahàrana
09 oktobra 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Tamberina
966 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 28/11/2017 17:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142