Aza kivy ry tiako!! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa aho mijaly sy mihafy ohatr'izao
Dia tsy inona fa ny fitiavako anao
No mahatonga alahelo sy sento isan'andro
Ny tena mahia, ny volo tsy mibango

Matoa aho mifaly sy mirana hatrany
Dia tsy hafa anefa fa noho ianao ihany
Mampitsiky ahy foana, manala sorisory
Rehefa injay ory dia mbola ianao no mampitony

Matoa ny androntsika manjombona lava
Dia aoka hieritreritra sao dia tsy anjara
Nefa...aoka aloha fa sao maika loatra
Fa raha ny anio no maloka, rahampitso hipoaka

Aza kivy ry tiako, aza ketraka koa
Manana fanantenana sy faharetam po
Fa raha tsy mihafy tsy mahazo ny tsara
Aleo ratsy fiandohana dia tsra fiafara
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2014 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 17/10/2005 14:57)
Raha mbola azo amboarina!
aleo aloha amboarina.
raha toa moa tsy mety
samy mahay miarina.
Mandefitra ( 18/10/2005 05:30)
Tiako be ilay tononkalo fa mampahery
fiaritiana ( 18/10/2005 11:46)
ventsoko:misaotra anao amin ilay conseil e
mandefitra:mankasitraka o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895