Ianao ry tiana (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mangetaheta aho, ianao no rano
noana koa aho , ianao no sakafo
tsy manan kialofana aho, ianao no trano
mangatsiaka aho, ianao ilay afo
mampafana ny ao anatiko rehetra
mbola tany aminao koa ilay fitia tsy mba voafetra


avy ny orana , ianao no elo
ianao nihira , izaho niheno
narary aho , mbola ianao no dokotera
ianao koa no nampiarina raha toa aho nianjera
tsy ho adinoko ireny raha mbola tany koa ny tany
ianao no nananatra sy nanoro ahy tamin izany
na lavo aho na solafaka , mbola eo foana ianao
nanarina ahy , nampitraka tamin izao rehetra izao

faly aho satria mbola manana ilay olona
tia manampy namana fa tsy mba nitoka monina
faly aho fa mbola ianao koa io
ka ho tsarovako foana raha mbola misy ny anio
--------
Rohy:
1019 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137