Neny (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ilay nitondra sivy volana izay niaritra ny mafy
na ny mora na ny sarotra dia mbola izy koa no niafy
nampianatra ahy nibada, nampianatra niteny
tsy iza akory izany fa ianao ihany ry neny

nanitsy ny hadalana,nanoro izay mety
eny !anio tokoa ilay andro, anio tokoa ilay fety
tsy nihambahamba ianao, tsy sasatra mananatra
ka miarahaba anao izahay tratry ny fety sambatra

inona no mba omenay ho valim babena?
ny fo tsy vidim bola no azonay omena
moa ve izahay hahavita ireny vitanao ireny?
ny fitiavana no atokanay ho anao ry neny

mirary soa izahay amin izao andro fety izao
hoe hahazo fahombiazana amin ny zavatra atao
ho salama tsara ary koa ho ela velona
ny reny tena manan danja amintsika olombelona
N EST CE PAS?
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
1973 0
Hevitra mandeha
johan ( 04/05/2005 15:04)
Ry neny malala tsy foiko eto antany
Arabaina ianao fa tratry ny fety
Oroka mamy manarak'izany
ho azo ny ilaina, 'zay atao ho mety
fiaritiana ( 04/05/2005 15:07)
ary ny dada ahoana indray sa mbola miandry ny fety?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099