You are here: home > Vetso

EFA NISY TETO - Fidy Art Niaina

Efa nisy teto fo nanantena
Fa niniana nilaozana tanaty ady mafy
Dia niharitra; nihafy
Fa mbola tsy foana ny fanantenany
Toa loharano tsy mety lany
Miandry ka miandry
Tsy tafandry mandry amin'ny ali-mangina
Efa nisy teto fo nanantena ny ho tiana

Efa nisy teto fo manirery
Niandrandra nijery ny lanitra ambony
Miezaka mampitony...
Ny saina tsy ho lasa lavitra
Mivavaka eto; mibanjina lanitra
Mandinika ny lasa; mamisavisa ny hoavy tsy fantatra
Mbola ankamanantatra tsy hay hoe "anao ahoana?"
Efa nisy teto fo naniry ny hahita anao hijoro anoloana

Fidy Art Niaina

Hametraka hevitra

Midira aloha