You are here: home > Vetso

HIONDRIKA - Fidy Art Niaina

Hiondrika...
Hitanondrika fa resy...
Lavo ny fitiavako
Nitsirara taminao

Naniry ny hitambatra
Nanantena ny ho sambatra
Kanefa tsy nampoiziko hoe mbola hafoiko ianao
Ny azoko atao ?
Mitanondrika eto
Ory sy misento mandefa ny vinany
Misento mitomany
fa TIA ANAO LOATRA AHO
Miangavy mitalaho
Banga ny fiainako
Tsy tafatombina hatramin'ny fisainako

Ny fiverenanao no andrandraiko
Ianao no ilaiko
Masina sy manandanja ilay fitia izay nekeko
Ka ilay fitiavanao no ataoko amboaram-pahareseko
Fa anio aho aloha dia eto
Hiondrika, hitanondrika fa resy...
Lavo ny fitiavako
Nitsirara taminao
Tena tiako ianao
TIAKO FOANA HATRAMIN'IZAO

FIDY ART NIAINA in Vetso VII

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha