You are here: home > Vetso

IZAHO IRERY SISA - Fidy Art Niaina

Tsaroanao ve isika teto amorom-patana ny takarivan'ny ririnina?
Izaho irery sisa no mamindro eto fa tsy eo ianao mba hofihinina
Tadidinao koa ve isika efa-mianaka nitafy bemiray tamin'ny ali-mangatsiaka?
Alina ny andro, izaho irery sisa no mandrotsirotsy an'ireto zanantsika

Fa lasa ianao niova lasy; nanadino ny efa vita
F'izy mianadahy na hamoizako ny aiko aza tsy maintsy tafita
Izaho ve moa hitana raha tsy tamana ianao ka hisintaka?
Izaho irery sisa no mibango ny volon'i Fara raha sendra misaritaka

Nandao mantsy ainao fa tofoky ny fahantrana sady leo ny mihafy
Raha mbola eto i Dada; ireto zanako ireto? Tsy maintsy misakafo sy mitafy

Fidy Art Niaina in Vetso VI

Hametraka hevitra

Midira aloha