You are here: home > Vetso

MAIZM-BOLANA - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Malomaloka aho ry namana
F'ilay volam-penomanana
Tsy hita fa nandao
Maizim-bolana izy izao

Ilay volana baliaka
Hany mba nanilo antsika
Nisintaka any ho any
Maizim-bolana ny tany

Diavolana mazava
Indrisy! Foana sy rava
Ny fahoriako mihalalina
Maizim-bolana ny alina

O ry volana madio!
Mba miverena indray anio
Henoy re ny tarainako
Fa maizim-bolana ny fiainako

Fidy Art Niaina in Vetso II

Hametraka hevitra

Midira aloha